Mitentina 500 hatramin’ny 750 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very amin’ ireo harena an-dranomasina eto Madagasikara noho ny lafiny tsy filaminana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny Carlton Anosy omaly.
Vola be tokoa izay mety ahavitana zavatra maro hanampiana ny Malagasy sy hampandrosoana ny firenena; fantatry ny fanjakana tsara io fatiantoka mihoapampana io kanefa toa mitazam-potsiny ny zava-misy izy ary miandry lava ny fanampian’ny avy any ivelany. Lohahevitry ity fihaonana iraisampirenena tanterahana eny amin’ny Carlton Anosy ity moa ny hoe «Stabilité du Grand Océan Indien et son arrière zone dans le monde multipolaire en pleine mutation : Perspectives géopolitiques et géoéconomiques» na ny filaminana eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina teo aloha sy ankehitriny izay mifandray mivantana amin’ny fiandrianana sy ny fiarovana ny tombontsoan’ireo firenena nosy. Tsy azo ihodivirana ihany koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena samihafa toy ny fankalazana ny faha-200 taonan’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Angletera amin’ity taona 2017 ity. Voakasik’ity resaka tsy fahalemana ity manokana, ohatra, ny fiarovana ny tontolon’ny morontsiraka sy ny ranomasina ho an’ireo firenena nosy mandrafitra ny Oseana Indianina
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.