Voageja raha samy vahoaka ny Malagasy noho antony maro.
Tsy ny lalàna mifehy ny serasera ihany no sakana ho an’ny olona tsy haneho hevitra fa eo ihany koa ny fahantrana lalina izay tsy mamela azy ireo hipetra-potsiny raha ny tatitra nataon’ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny 2% mahery kely amin’ny Malagasy, izay ahitana ny mpitondra sy ireo vahiny toy ny karana sisa no manankarena eto amintsika fa ny 97% dia mahantra avokoa ka ny 48% no efa tena fadiranovana, raha ny fanehoan-kevitry ny Mpahay toekarena, Hugues Rajonhson. Tsy mahataitra ny mpitondra anefa izany fa mitohy ihany ny ramatahora sy ny didy jadona ka izay mba maneho hevitra dia tsenaina amin’ny herim-pamoretana sy ny fanagadrana izay efa lasa lamaody. Tsy vitan’ny ampahantraina ny vahoaka fa mbola foretina mba hahafahan’ny vitsy an’isa hanjakazaka eto amin’ny firenena. Mila mandini-tena dieny izao ny vahoaka amin’izay olona tokony hapetraka hitantana ny firenena mba tsy hijinjana fahadisoam-panantenana toy izao. Raha mbola ho diso safidy indray mantsy na mbola ireo efa iaraha-mahita tsy hijery ny tombontsoan’ny maro an’isa ireo no mbola hiverina eto dia vao mainka isika ho latsaka any anaty kizo kanefa tsy afaka hanao na inona na inona noho ny jadona efa zary paikady hoenti-mitondra ny firenana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.