Politique

Fanjakana HVM Mitady hirika hanasoketana an-dRavalomanana


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Nampiseho ny hakanosana miaro tahotry ny antokom-panjakana ny sakantsakana samihafa natao tamin’ny fankalazana ny fanokafana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko Tiako I Madagasikara ny sabotsy 8 jolay lasa teo,

hoy ny mpandraharaha Rakotomamonjy Philippe. Tsy nahomby anefa ny teti-dratsin’ny fanjakana hanasokatena ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, araka ny fanazavany. Nifototra any amin’ireo manam-pahefana mantsy ny kajikajy politika hanosehana an’i Dada Ravalomanana sy ireo mpanohana marobe hamboly korontana eny amin’ny arabe. Nilamina sy nanaja ny toromarika efa napetraky ny mpitarika ny antoko hatrany am-boalohany ihany koa ireo mpiara-dia amin’ny TIM ka sarotra ho an’ny mpanararaotra ny hanatanteraka ny asa ratsin’izy ireo, araka ny fanehoan-keviny. Anisan’ireo olona marobe miandrandra ilay andro malaza hiaraha-mifaly sy mifety eo amin’ny kianjamben’i Mahamasina nampanantenain’ny birao politikan’ny Tiako I Madagasikara moa Rakotomamonjy Philippe. Vonona hanamarika io tsingerintaonan’ny antoko io ao anatin’ny filaminana sy fahamendrehana tanteraka rahateo ny mponina ao amin’ny boriborintany voalohany, araka ny fanazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT