Politique

Fanjakana Amerikanina Tsy manaiky ny fitsapan-kevi-bahoaka !


  • Alarobia 03 Novambra 2010

Nifarana omaly ny fitsidihan’Atoa Karl Wycoff sekreteram-panjakana Amerikanina misahana an’i Afrika, an’i Madagasikara. Nohamafisiny hatrany ny fitakian’ny fanjakana Amerikanina ny fiverenana amin’ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ireo ankolafy rehetra, ho famahana ny krizy Malagasy.

Ary raha misy ny fitohizan’ny fifampiresahana dia vonona ny hanohana izany ny Amerikanina araka ny nambaran’Atoa Karl Wycoff. Notsipihany mazava kosa anefa fa maro ireo tsy fetezana tamin’ny fametrahana ny parlemanta nataon’ny FAT farany teo, izany hoe ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny CST sy ny CT. Nihaona tamin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita moa omaly tolakandro ity sekreteram-panjakana Amerikanina ity ary mbola nilaza fa tsy ara-demokratika no sady fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ny fitsapan-kevi-bahoaka hotanterahana ny 17 novambra ho avy izao. Nanantitrantitra ihany koa Atoa Karl Wycoff   fa ilaina ny fiverenana amin’ny fifampidinihana eo amin’ireo ankolafy rehetra ary manohana hatrany ny asa fanelanelanan’ny SADC ny fanjakana Amerikanina.

Ankoatra izay dia manao antso avo amin’ny ankolafy rehetra Etazonia mba hifady izay hetsika mety hiteraka herisetra, nanainga ihany koa ny ireo mpitandron’ny filaminana tsy ahanao hetsika mety heverin’ireo tompon’andraikitra politika sy avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena ho fitsabahana na fandrahonana azy ireo eo am-pikatsahana vahaolana amin’izao disadisa izao. Faharavana tsy hita nonoa, niteraka fahantrana tsy nilain’ny vahoaka Malagasy no vokatry ny krizy, hoy ihany ingahy Wycoff izay nihaona tamin’ny filohan’ny FAT nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara. Isan’ny fatiantoka ohatra, araka ny fanazavana ny nampihatoan’i Etazonia ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara ao amin’ny African Growth and Opportunity Act na ny Agoa sy ny fampitsaharana ny fandaharan’asa Millenium Challenge Corporation na ny MCC. Eo amin’ny fanampiana maha-olona moa dia manodidina ny 85 tapitrisa dolara na 170 miliara ariary ny sandan’izany. Fantatra fa mbola hotohizan’i Etazonia ireo ezaka hanampiana antsika hiverenana amin’ny fitantanana ara-demokratika izay mety hitarika amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fandaharan’asa tapaka ireo.

Efa tsinjo dieny izao ihany koa fa tsy ho tanteraka na tsy maintsy hahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra izao ; efa mazava ny ny tenin’Atoa Karl Wycoff ary inoana fa hanara-dia azy ireo firenena matanjaka rehetra ato ho ato ; raha ny fandinihana azy mantsy dia  karazan’ny hoe namaky lay amin’ny fanambarana ny fanoheran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra izao fihetsiky ny fanjakana Amerikanina izao ary manamafy hatrany ny efa nambara hatramin’izay fa tsy azo ekena ny fanapahan-kevitry ny ankolafy tokana amin’ny fitantanana ny tetezamita sy ny famahana ny krizy.

RTT sy Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT