Politique

Fanilikilihana ny Ben’ny tanŕna Aza mifanindritsindry, hoy i Dada


  • Zoma 26 Mey 2017

Manana andraikitra ato amin’ny kaominina aho amin’ny maha mpanolotsain’ny Ben’ny tanŕna ahy, hoy i Marc Ravalomanana ny alarobia lasa teo.

 

 Tokony  hahalala ny zava-misy marina  sy mitranga eto ny Ben’ny tanàna. Fanambarana izay manameloka ny fanaovan’ny fitondrana foibe tsinontsinona ny kaominina tamin’ny fampiasana ny kianja mitafon’i Mahamasina sy ny zavatra nataon’ny HVM tao. Mila mifampidinika aloha ary mifanakalo hevitra fa tsy tonga dia manitsaka ny lalan’ny hafa fotsiny. Naheno aho ary nahita koa avy any Mahajanga fa manampy sy manome fanomezana an’ireo sahirana ny fanjakana. Tsy manakana ny Ben’ny tanàna fa anjarany ny miasa miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Anjaran’ny fitondram-panjakana koa ny mifampidinika aminy fa tsy manao izay saim-pantany fotsiny, raha naravona ny fanambarany.  Ny eran-tany dia mahafantatra fa tratran’ny kere ny vahoakantsika any amin’ny faritra Atsimo, koa maninona raha any amin’ny faritra Atsimo aloha no mandeha ianao dia mba homena fanomezana ireo olona sahirana ireo ? Raha ny any no mba mahazo ireny sobika iray ireny dia faly izy, hoy i Marc Ravalomanana. Fa ianareo ihany koa anefa manontany anay hoe manaova raha mahavita dia ho hitantsika eo ary fa samy hanao izany. Ianareo fitondram-panjakana milaza hoe tena manao ny ara-dalàna izahay fa raha manara-dalàna tsy midika fa hanitsaka ny an’ny hafa. Raha mahafantatra ny asa sy ny andraikitry ny kaominina amin’ny fampandrosoana ianareo dia izy no akaiky ny vahoaka na eo amin’ny fandriampahalemana na eo amin’ny fanabeazana (EPP). Aza miedinedina sy mientanentana sy mihevotrevotra fa samy mahay lalàna isika ! Samy manana mpanolontsaina mpanao lalàna koa !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT