Politique

Faneva Raholdina Tsy mbola vahaolana ilay sonian’i Sandton


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Tsy mbola vahaolana hivahan’ny krizy eto amintsika, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandalina politika, ilay fanaovan-tsonia ny sori-dalan’i Sandton tamin’ny sabotsy teo.

 Mbola manjavozavo be ny voalaza ao amin’io sori-dalana io mahakasika ny fodian’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana, hoy izy, satria ao dia tsy misy afa-tsy ny hoe : mody tsy misy fepetra. Any amin’ny tovana vao misy indray ny hoe : tsy hidiran’ny SADC ny raharaham-pitsarana Malagasy mety hahavoarohirohy azy. Ny fototry ny olana anefa dia ny hoe : Marc Ravalomanana mahazo mody, mahazo manao politika ary mahazo milatsaka hofidiana indray. Ny zavatra natao voalohany izany, hoy i Faneva Raholdina, dia ny nanisy arofanina aloha hoe : «Iza no manasazy raha tsy arahina io sonia natao io ? Ny SADC ve sa ny fitondrana avon’ny tetezamita ? Vita izay dia tokony ho niresaka aloha ny tompon’andraikitra ny fandinihana raharaha ara-tafiky ny SADC sy ny tompon’andraikitry ny fiarovana amin’ny fitondrana avon’ny tetezamita amin’ny hoe : inona no tokony hatao amin’ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana ?

Ny tafika Malagasy anefa efa nilaza fa tsy mahavita miaro ny filaminanana amin’izany. Tokony hiaraka hiasa izany ny roa tonta amin’izay fiarovana ny fiverenan-dRavalomanana izay. Raha vao tonga amin’ilay fitsarana azy mantsy ny resaka, hoy izy, dia hiala indray ny fitondrana avon’ny tetezamita fa efa mahaleotena ny fitsarana ka tsy anjaranay izany, dia hiverina ny krizy rehefa tonga an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana. Amiko, hoy i Faneva Raholdina, dia mbola madio ara-pitsarana Ravalomanana satria rafitra tsy mahefa ilay nitsarana azy sady tsy natrehany rahateo ilay fitsarana. Ny “Haute cour de justice”, araka ny lalàna no afaka mitsara ny Filoha Marc Ravalomanana ary io ihany koa no afaka mampisambotra azy raha ilaina izany, hoy izy. Noho izany tsy hisy fisamborana an-dRavalomanana rehefa tonga eto izy fa tsy mbola eo io rafitra io.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT