Politique

Faneva Raholdina Fieken-keloka sy Famelan-keloka vao fampihavanana


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Nandamoka ny fampihavanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nokasaina hotanterahina,

 hoy Atoa Faneva Raholdina mpandalina raharaha politika, noho ny tsy fanarahana fepetra tokony hatao amin’izany. Tokony hisy aloha, hoy izy, fieken-keloka hataon-dRajoelina Andry tamin’ny zavatra nataony dia ny fanimbana fananan’olona sy fanapotehana ny toekarena Malagasy ary ny fanonganam-panjakana vitany. Ary tokony hisy koa ny famelan-keloka ataon’Atoa Marc Ravalomanana amin’ilay hoe “ Izay tsy miady fa izay tofo mpamosavy” tahaka ny fifonana ampahibemaso efa nataony tamin’ny vahoaka  Malagasy nialoha ny nialany teo amin’ny fitondrana tamin’ny filazana ny hoe :  “Raha nisy ratsy nataoko taminareo dia hifonako etoana” izay vao azo hirosoana ny fampihavanana azy ireo amin’ny alalan’ny fahafahana miresaka mazava hoentina hampandroso ny Malagasy tsy misy lonilony. Tokony havoaka ofisialy amin’ny haino aman-jery jeren’ny daholobe izany. Tsy filam-boatsiary sanatria, hoy ity mpamakafaka politika ity, fa planina efa napetrak’Andriamanitra mihitsy ao anaty Soratra Masina mihitsy ny hoe : raha miaiky ny fahotantsika isika dia misy ny famelan-keloka avy Aminy.

Mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny dia ambaran’i Faneva Raholdina fa tokony hianatra sy haka tahaka ny nataon’ny filoha Frantsay vaovao Emmanuel Macron ny mpitondra Malagasy  amin’ny fandravana ny parlemantera misy ka hanao izay hahazoany maro an’isa eny Tsimbazaza mba hisian’ny fitoniana sy tena fampandrosoana marina.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT