Politique

Fanesorana ny praiminisitra Lasa gidragidra ao an-dapa


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Efa mampizarazara ny samy olon’ny HVM ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasa Olivier amin’izao fotoana izao.

Ao ny efa mivoy ny hanesorana azy ary soloina olona tena mahatoky ao anatin’ny HVM, ary ao ny milaza fa aleo izy ihany aloha.  Na izany aza dia efa manana ny kajiny manokana ihany koa ity praiminisitra ity, izay heverina fa tsy hanaiky mora foana, ary efa niaraha-naheno ny resaka fiarovan-tenany amin’ny fitsipaham-pitokisana, ka nivoahan’ny vaovao ny herinandro lasa teo fa hoe efa nanome fiara tsy mataho-dalana ho an’ny depiote miisa 16 izy. Ny lohandohany ao anatin’ny HVM no voalaza fa leo sy tofoka ary maniry ny hialan’ity praiminisitra ity. Miha mitombo rahateo ny tsindry isan-karazany amin’ny tokony hanesorana sy hanaovana fanadihadiana ara-pitsarana azy noho ny resaka afera maloto. Anisan’ny nametraka fitoriana, ohatra, ny vondrona politika Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP), izay tsy nisalasala fa nilaza fa izy no tompon’antoka voalohany tamin’ny fanomezana tsenam-panjakana an’i Claudine Razaimamonjy. Na ny ety ivelany na ny ao anatin’ny fanjakana dia samy efa samy tsy faly sy mikendry ny handakana ny praiminisitra, saingy any amin’ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena ny baolina.

Hamoaka dosie lehibe

Handroso maty raibe ary hihemotra maty renibe ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ny tsindry isan-karazany amin’ny tokony hanalana ny praiminisitra saingy tsy mbola sahy manao izany ny tenany mandrak’ankehitriny. Mahalala ny dosien’ny fitondrana ny praiminisitra, ka izay no mety hananan’ny filoham-pirenena tahotra aminy.  Na izany aza anefa dia re fa efa mandeha ny hevitra hampirisihana mety hanatanterahana ny fitsipaham-pitokisana na ny “motion de censure”, ka ny herinandro teo dia efa nandeha ny resaka fa nisy depiote maromaro nantsoin’ny tany an-dapa nanontaniana ny heviny momba ny hanonganana ny praiminisitra. Mikasika ny fahazoana fiara tsy mataho-dalana dia voalaza fa efa ela no tokony ho azon’ny depiote, saingy ny HVM mihitsy no nitsipaka satria ny praiminisitra vaovao hotendrena no tiany hanolotra azy mba hananan’izy ireo fanohanana bebe kokoa avy amin’ny depiote satria ny praiminisitra ankehitriny, dia  efa maro tsy mpankasitraka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT