Politique

Fanesorana ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga Nitokona ny mpomba ny Mapar


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Nivory nanoloana ny lapan’ny tanànan’i Mahajanga ireo mpomba ny vondrona Mapar ny sabotsy teo ho fanehoana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fampiatoan’ny filankevitry ny mpanolotsain’ny tanàna ny Ben’ny tanàna ao an-toerana, Mokhtar Salim Andriantomanga, amin’ny toerany.

 Tokony ho 30 minitra taorian’ny fiandohan’ny hetsika no tonga nandamina ny zava-misy ny Emmoreg kanefa fotoana fohy taorian’izay dia nisy andiana tanora tonga nilaza ho tsy manaiky ny fanakorontanana ny tanàna. Ny niezaka nandamina ny tsy hisian’ny korontana teo amin’ny ankolafin-kery roa tonta tamin’ny alalan’ny fifampidinihana no nataon’ny Emmoreg ary dia niafara tamin’ny fandravana ny fitokonana tamim-pilaminana rehefa avy eo.

Tsy misy taratasy ofisialy ?

Ny vaovao farany voaray avy amin’ny prefektiora tao an-toerana dia mbola honohono ihany hatreto ny fampiatoana fa tsy mbola eo am-pelatanan’izy ireo ny taratasy. Efa manomboka tsy milamina tato ho ato ny toe-draharaha ho an’ireo antoko matanjaka tsy avy amin’ny HVM. Malaza ny fampiatoana ny ben’ny tanànan’i Toamasina, Elysé Ratsiraka sy i Port Berger, Adolphe Fiarema, izay samy lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina (Mapar). Heno koa tao ho ao fa kasaina hosoloina filohana delegasionina manokana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara. 


Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT