Efa nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny herinandro lasa teo fa noroahina tsy ho mpanolotsain’ny filoham-pirenena intsony i Nicole Randrianarison.
Tsy mbola nisy aloha hatreto ny fanambarana ofisialy avy eny Iavoloha ka andrasana izay fanamarinana na fandisoana io vaovao io avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Sinema inian’ny HVM hatao ve mba hanalefahana ny resabe sy fanenjehana mahazo azy ireo noho ny afitsok’ireo tandapa ? Inona no antony nandroahana azy raha tena marina tokoa ? Tsiahivina fa anisan’ny olona niteraka laza ratsy ho an’ny fanjakana Rajaonarimampianina i Nicole Randrianarison, izay efa nalaza ratsy tamin’ilay vola be 3 tapitrisa Euros tsy mazava saron’ny polisy frantsay tany amin’ny seranam-piaramanidina Roissy Frantsa ny volana desambra 2015. Efa fanaon’ny HVM izao, raha tsy hilaza afa tsy ny nandroahana ny tale kabinetran’ny fiadiadian’ny Repoblika Henri Rabary Njaka, saingy tao an-dapa ihany ny tenany, ary mbola tanan-kavanan’ny filoha fa mba fihetsika natao hampitoniana ny hasosorana fotsiny no mody nanilihana azy. Anisan’ireo tazana alim-be teny amin’ny Hjra tamin’ny fotoana voalohany nidiran’i Claudine Razaimamonjy tao amin’ny fameloman’aina moa Rtoa Nicole Randrianarison.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.