Politique

Fanendrena PDS Aleo foanana, hoy ny depiote Djaosera Irenée


  • Talata 16 Mey 2017

Hodinihin’ny vaomiera misahana ny lalŕna sy ny kaomisionin’ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana eny Tsimbazaza rahampitso alarobia 17 mey 2017 ireo tolo-dalŕna roa naroson’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Djaosera Irenée.

 Eo aloha ny fanitsiana ireo andininy faha-38 sy faha-39 amin’ny lalàna 2015/020 tamin’ny 18 oktobra 2015 momba ny rafitra maha mahaleotena ny Ceni (Commission Electorale Nationale Indépendante). Fanavaozana takiany moa ny fahafahan’ny Vaomiera mahaleotena mikirakira ny fifidianana mamaritra mazava ny alimanakan’ny fifidianana amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Fanatsarana tian’ity depioten’Analalava ity hoentina ihany koa ny mikasika ny lalàna 2014-020 ny 20 aogositra 2014 momba ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana. Anisan’izany ny fiantsoana ireo tompon’andraikitra voalohany dia ny ben’ny tanàna ho an’ny kaominina, governora ho an’ny faritra ary mpandrindra ho an’ireo faritany. Tokony ho olom-boafidin’ny olom-pirenena mivantana izy ireo. Ilaina foanana ny andininy faha-313 milaza ny fanendrena ny PDS (Président de Délégation Spéciale) raha tiana ny tsy fiankinan-doha ara-bolan’ireo rafitra fitsinjaram-pahefana ireo, araka ny fanamarihan’ity olom-boafidy ity.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT