Politique

Fanendrena ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena Tsy nitana ny teniny i Andry Rajoelina


  • Zoma 07 Mey 2010


Raha nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny RNM sy TVM i Andry Rajoelina ny 14 aprily dia nilaza fa tsy hiandry ny dinika tany Pretoria ny 28 ka hatramin’ny 30 aprily teo ny fanendrena ny solon’ny jeneraly Rakotonandrasana Noël ao amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena fa hialoha izany. Iray volana aty aorian’ny fanilihana io jeneraly io anefa tsy voatendry izay ho solony. Midika io fa tsy nitana ny teny nataony indray i Andry Rajoelina. Fa ao anatin’ny fitaintainana sy fahasorenana amin’izao fotoana ny mpikambana sasany eo amin’ny governemanta Camille Vital. Na ahoana na ahoana mantsy mety ho fitrangany dia azo antoka fa ho maromaro amin’izy ireo ihany no tsy voatazona amin’ny toerany intsony. Fa ankoatra izay dia misy amin’ireo minisitra sy tompon’andraiki-panjakana ambony no manizingizina fa tsy hamaha ny krizy ny fananganana ny governemanta iarahan’ny sivily sy miaramila, satria tsy mbola manaiky ny tetezamita ihany ny sehatra iraisam-pirenena. Tao mihitsy aza moa ireo niteny fa tsy tokony hosoloina izany aloha ny ekipa mandrafitra ny governemanta amin’izao fotoana raha toa ka hanohy ny fandaharan’asany tsy miaraka amin’ny ankolafy telo ihany i Andry Rajoelina. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT