Mbola tantara mitohy hatramin’izao ny ady seza momba ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny CST sy ny CT. Nampiantso ny mpanao gazety omaly ireo antoko politika nahatsiaro tena fa voafitaka ka nilaza ny zava-misy ary nanondro mihitsy ireo tomponandraikitry ny fanovana ny lisitra naterina teny Ambohitsorohitra.
Avy amin’ny UDR, Escopol, HPM ary ny les AS moa izy ireo. Voalaza ary fa tsy ny lisitra nifanarahan’ireo antoko politika efa ho zato mahery mihitsy no tonga teny amin’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita fa lisitra efa novaina, ka voatondro ho anisan’ny nanao izany Atoa isany Lahiniriko Jean, Adolphe Ramasy ary Benjamina Ramanantsoa. Araka ny fanazavan’ireo mpanao politika tsy voailika ireo dia maro amin’ireo olom-boatendry ao amin’ny CT sy ny CST no tsy mahafeno mihitsy ny fepetra araka ny voasoratra ao amin’ilay fifanarahana politika. Ary ny tena marina aza, hoy izy ireo dia ny fianakaviana na namana akaikin’izy telo mirahalahy voatonona anarana etsy ambony ireo no nasosoka tao anatin’ilay lisitra ary nasolo ny anaran’ireo mpanao politika.
Noho izany fitaka sy hafetsifetsena izany dia mangataka ny hanesorana an’i Lahiniriko Jean sy Adolphe Ramasy ary Benjamina Ramanantsoa tsy ho mpikambana ao amin’ny CST intsony ireto mpanao politika tsy nahazo seza avy amin’ny Escopol sy UDR ary HPM ireto. Nambaran’izy ireo moa fa efa mahafantatra tsara ity olana ity ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, saingy mahagaga ny tsy mbola nandraisany fanapahan-kevitra handaminana izany. Anisan’ireo mpitarika izao fitakiana izao moa Atoa Pierre Raharijaona filohan’ny antoko Arema Matotra. Tsy maintsy hisy ny hetsika hafa hataon’ireto mpanao politika ireto, araka ny fantatra raha toa ka tsy misy ny fepetra raisin’ny fitondrana tetezamita momba ity raharaha fanovana ny lisitr’ireo notendrena ho mpikambana ao amin’ny parlemanta ity.
Tsy maintsy hisy akony ara-politika ratsy ho an’i Andry Rajoelina sy ny fitondrana tetezamita ity resaka ity satria toa manaporofo ny ahiahin’ny maro hatramin’izay fa fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ny fananganana ny CST sy ny CT fa tsy marimaritra iraisan’ny ankolafin-kery politika rehetra, ary toa mitombina tsara ihany ny nambaran’Atoa Carl Wyccof sekreteram-panjakana Amerikanina lefitra misahana an’i Afrika fa maro ny tsy fanarahan-dalàna sy ny zavatra tsy nety tamin’ny fananganana ny filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny kongresin’ny tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.