Tsy nisy nety naneho hevitra omaly ny ankabeazan’ny mpanao politika nanontaniana fa nilaza ny hiandry ny fanendrena minisitra ny tolakandro avokoa
Ara-bakiteny anefa, ho azy ireo ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana raha ny zava-misy omaly ho an’ireo mpanao politika ireto no asian-teny. Sambany teo amin’ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara, na ny ara-dalàna voafidim-bahoaka, na ireo nitondra vokatry ny fihetseham-bahoaka sy fanonganam-panjakana no nisy an’izany hoe fanendrena minisitra izany ka nahemotra amin’ny andro manaraka. Mitory tsy fahamatorana eo amin’ny mpitondra FAT izany ka toa nanamafy izay voalazan’ny Printsy Elakovelo omaly teto amin’ny Tia Tanindrazana tamin’ny filazana fa « olona tsy natao hitondra firenena mihitsy » i Andry Rajoelina satria tsy to teny sady tsy mahatapaka ahitra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.