Politique

Fanendrena masoivoho Tsy mety teraka Ambatobevohoka


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Taona iray mahery izao no niketrehan’ny fanjakana Malagasy ireo masoivoho hisolotena an’i Madagasikara any ivelany.

Ny volana febroary 2017 teo kosa vao tena nikofokofoka ny mpitondra nangataka ny fankatoavana avy amin’ireo firenena mpiara-miasa saingy tsy mety teraka Ambatobevohoka. Efa heno tsikelikely moa ny anaran’ireo olona mahatoky na namana akaiky ny fitondrana eritreretina ho ambasadaoron’ny firenena Malagasy any ivelany na tsy mbola ofisialy aza.  Efa mazava be nandritra ny fanovana ireo mpikambana vitsy tao anatin’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana farany rahateo ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika izay mikatona amin’ireo hery politika voasokajy ho mpifaninana amin’ny fifidianana hotontosaina ny taona 2018.

Olana ara-bola

Talohan’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana nandritra ny fitondrana Ravalomanana no nisy fanendrena ambasadaoro Malagasy farany niasa tany ivelany. Tsy afaka nanendry masoivoho noho ny tsy fankatoavana avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena moa ny fitondrana tetezamita lavareny. Tsy kapoakan’ny fitondrana Rajaonarimampianina kosa io lafiny fifandraisana ara-diplomatika io na dia mivoaka matetika any ivelany aza ny filohan’ny Repoblika, araka ny fahitan’ireo mpandinika ny fiainam-pirenena. Manampy trotraka ihany koa ny tetibola manify natokan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ho an’ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa. Manodidina ny 1,5 miliara ariary hatrany mantsy izy io nanomboka ny taona 2016 hatramin’ny taona 2019.   


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT