Politique

Fanendrena an’i Omer Beriziky Ahiana ho noho ny resaka «bois de rose»


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Faly sahirana toy ny akoho kely notsipazam-potsimbary ny tontolo politika eto Madagasikara taorian’ny fanendrena an’i Omer Beriziky ho Praiminisitra iraisana.

Faly satria tonga ilay nandrasana. Sahirana ihany koa anefa satria zary manalavitra izay efa nifanarahana ny resaka. Napetraka tamin’ny fahendren’ny Filohan’ny tetezamita, hoy i Andry Rajoelina ny zoma alina teo, ny fanendrena ary tsy nisy ny teritery. Tsy an’ny ankolafin-kery intsony aho ary tsy an’ny Filohan’ny tetezamita ihany koa, fa an’ny vahoaka malagasy, hoy kosa ny Praiminisitra omaly. Rano mangotraka, fa tsy vary mangatsiaka araka ny fiteny mahazatra, navelan’ny governemanta nifandimby hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ny raharaha «bois de rose» na andramena. Nalaza ilay 300 taonina tafaporitsaka tany Kaomôro, teo koa ilay enina kaontenera sarona tao Maorisy, izay tsy re popoka ny tohiny. Santionany ihany ireo. Fongana tsikelikely noho ny fitiavantenan’olom-bitsy ny harena tokana aman-tany, izay fananan’ny vahoaka malagasy.

Ripaka miaraka aminy ihany koa ireo karazam-biby tsy fahita na aiza na aiza afa-tsy eto Madagasikara ihany. Izy io dia raharaha iray lehibe nandoto tanteraka ny laza tsaran’i Madagasikara tany ivelany ary indrindra ny fitondrana tetezamita ankoatra ny fanaovana zinona ny zon’olombelona sy ny zo fototra maha olona. Ny fandripahana ny ala nanahary toy ny andramena dia heverin’izao tontolo izao fa mitovy lenta amin’ny heloka bevava ankehitriny. Nafana tokoa ary dia nanakoako maneran-tany ny raharaha andramenan’i Madagasikara. Mbola nidedaka izaitsizy ny afo faramparany teo tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana. Nanangam-bovona mantsy ny mpandraharaha tany an-toerana, volana vitsy monja izay. Tetsy an-daniny, nisy ny tatitra nataon’ny fikambanana vahiny lehibe roa.

Voalaza mazava fa ny mpitondra ambony ao anatin’ny tetezamita no anisan’ny mpiray tendro mivantana amin’ny mpanafatra andramena avy aty Madagasikara. Teo ihany koa ny vaky bantsilana nataon’ny Filoha teo aloha, ny Profesora Zafy Albert, ny volana septambra lasa teo. Nivoitra tamin’izay fa nataon’ny fitondran-dRajoelina tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Zary mangingina na koa somary takona kely anefa ny raharaha andramena tao ho ao noho ny fanaovan-tsonia ilay tondrozotra ho famahana ny krizy izay niniana noforonina. Nanaraka izany ny fanendrena ny Praiminisitra iraisana. Efa an-dalana ihany koa ny adihevitra ny amin’izay mety ho tohiny. Mipetraka ny ahiahy raha noho ny marimaritra iraisana takian’ny tondrozotra marina tokoa no nanendrena an’i Omer Beriziky ho Praiminisitra na zavatra hafa.

Nilaza ny fampahalalam-baovao iray manana ny lazany any Eoropa fa ny maika hahazo ny famatsiam-bola mitentina 360 tapitrisa euros avy amin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana Rajoelina. Izay no mahatonga azy hitady olona azo antoka toy ny Praiminisitra vaovao mba handresy lahatra ny mpamatsy vola. Diso ary lainga ny filazana fa na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona dia ho azo mandritra ny tetezamita io fanampiana io. Ny fitondrana mijoro ara-dalàna araka ny fenitra demokratika ihany (fifidianana malalaka) no omena ny famatsiam-bola toy izany.

Ny Tahiry eoropeanina rahateo dia entina manatanteraka tetikasa lehibe. Mazava tsara anefa ny ambaran’ny tondrozotra mikasika ny tetikasa lehibe, izay tsy azo tanterahina mandritra ny fitondrana tetezamita. Tsy tongatonga ho azy, noho izany, ny fanendrena ny Praiminisitra iraisana. Olona avy any amin’ny faritra ahitana andramena be indrindra izy. Mety fomba iray hifampiraharahana amin’ireo mpandraharaha any an-toerana ny fametrahana azy amin’ny andraikitra ambony. Efa tsinjo sahady izany amin’ny fihetsiketsehan’ny fikambanana lehibe iray ao an-drenivohitra. Tsy azo lavina anefa fa sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy zanak’Avaratra nomena ny toeran’ny Praiminisitra taorian’ny fiverenan’ny fahaleovantena.

Mahavariana !

Na izany aza dia mahazendana fa ny ankolafy Zafy Albert no olona nanolotra an’i Omer Beriziky na eo aza ny fanenjehana ataon’ny Profesora ny Filohan’ny tetezamita, noho ny resaka andramena sy ny toy izany. Eo indrindra no mahasarotra ny fandidiana. Dia sanatria ve lasa mpiray latabatra tampoka teo ny mpifanenjika ka valalanina hatramin’ny ambanilanitra izay mitazam-potsiny. Mety misy fifanarahana miafina any ho any. Fanao mahazatra rahateo izany amin’ny politika. Ny fanazavana feno sy mahitsy no mampisinda ny ahiahy tsy ihavanana.

Tsy mitsahatra eo tsy akory ny raharaha andramena fa mitohy. Natao ren-tany sy ren-danitra fa voarara ny fanondranana. Re ihany anefa ny fivoahan’ny entana mangingina indraindray. Anton-dian’ny tompon’andraikitra ambony sasany any ivelany io resaka io, araka ny fantatra. Ao Toamasina ao, araka ny vaovao, dia ambara fa tsy fanta-tompo (propriétaires inconnus) ny andramena an-jatony taonina tra-tehaka. Rehefa vitsy kosa izany dia fantatra ny tompony. Ireny ifampitadiavana an-gazety ireny ny sasany. Mahavariana ! Ny mpandinika dia mahatsinjo fa ho sarotra ho an’ireo vondron’olona atahorana hahita ny marina miafina ao ambadiky ny raharaha andramena ny hisokafan’ny varavarana mankao amin’ny governementan’ny firaisam-pirenena. Tsy hisy mihitsy anefa fitoniana politika raha toa ka izay tokoa no tsy maintsy hitranga. Ary dia ho zava-poana toy izay efa niainana azy teo aloha ihany ny sonia sy ny fifanarahana vita. Hihemo-dava eto ny firenena ka ho trotraka tanteraka rehefa ela ny ela. Rariny, noho izany, ny ahiahin’ny vondron’olona milaza fa mety hitarika korontana toy izay nitranga tany amin’ireo firenena niaina ady an-trano tatsy Afrika ny toe-draharaha misy eto amintsika. Ny ampitso no hanambara ny anio.

r.r

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT