Nigadona eto Madagasikara omaly alakamisy tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny delegasiona avy amin’ny Vondrona SADC, misy mpikambana telo izay tarihin’ny Dr Leonardo Simao. Herinandro no haharetan’ny dian’izy ireo eto.
Mandritra izany no hanokafana ny birao fifandraisan’ny SADC hanarahan’izy ireo akaiky ny fivoaran’ny dinika sy ny fanelanelanana ho famahana ny krizy eto. Hihaona amin’ireo masoivohon’ireo firenena mpikambana ao amin’ity vondrom-pifanakalozana ity, ireto delegasiona ireto ary dia ho fantatra manaraka izay ny fandaharam-potoanany. Etsy andaniny dia mitabataba toa sinoa very entana ireo mpomba ny FAT, indrindra ireo mpikambana ao Anosikely. Volana vitsy lasa dia namoahana taratasy nalefan’izy ireo tany amin’ny Governemanta mihitsy tsy hanome “visa” ary hanakana ny fahatongavan’ny iraky ny SADC eto. Farany izao dia hoe rehefa tsy manohintohina na mandrava efa dia tsy maninona raha ho avy indray. Tonga anefa ny iraka, ary ny FAT mihitsy aza no manaiky ny hahatongavany eto, ary mihazakazaka ny hihaona amin’izy ireo. Nilamina ny fahatongavan’ny iraka, na teo aza ny filazan’ny Otrikafo fa “mpanakorontana ny sehatra iraisam-pirenena ary ny SADC no ampiasainy hanao izany”. Sy ny tenin’i Reboza Julien, sekretera jeneralin’ny UDR sady mpikambana ao amin’ny FAT, milaza fa “tsy mila mitalaho izay fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena tsy ho azo mihitsy”. Nanamafy koa i Reboza fa tsy hanatrika izay fivoriana hokarakarain’ny SADC satria amin’izy ireo dia fandanian’andro sy fandrirarirana fotsiny izany. Dia ho hita eo tokoa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.