Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny omaly ny fikambanana Malagasy Mijoro Miaro ny ara-dalàna na ny 3 MA.
Nambaran'izy ireo fa tsy afaka ny hangina izy ireo manoloana ny famiraviran'ireo mpanao politika sasany ny safidin'ireo Malagasy 22 tapitrisa izay nifidy ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy ekenay, hoy izy ireo, ny endrika fanonganam-panjakana izay eritreretin'ny sasany hatao eny amin'ny kianjan'ny 13 mey anio zoma 19 aogositra. Tokony hapetraka eto amin'ny firenena ny kolontsaina manaiky ny fifandimbiasam-pahefana, hoy hatrany izy ireo, satria izay ihany koa no tsy ampy eto amin'ny firenentsika. Tsapanay ho voahitsakitsaka ny soatoavina Malagasy koa hanaovanay antso avo amin'ny vahoaka. Miantso ny rehetra mba ho tony izy ireo, araka izany, ka tsy hanaiky ho tratry ny vela-pandriky ny mpanao politika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.