Ny fitiavan’ireo mpanjifa ireo fanaka sy zavamaneno vita avy amin’ny hazo sarobidy toy ny “bois de rose” na hazo sarobidy hafa avy aty Madagasikara no tena mampirongatra ny fitrandrahana sy ny fanondranana tsy ara-dalŕna ny hazo sarobidy eto, araka ny tatitra navoakan’ny Environmental Investigation Agency (EIA) sy Global Witness izay navoaka nandritry ny fihaonambe faha-10 momba ny zavaboary atao any Aichi- Nagoya, Japon.
Manamora izany fitrandrahana sy fanondranana tsy ara-dalàna izany, araka ny fanadihadiana ny firaisana tsikombakomban’ireo mpiasam-panjakana sasany sy ny tsy fampiharana ny lalàna. “Trandrahana tsy am-piheverana hanomezana fahafaham-po ireo tambajotrana mpanjifa iraisam-pirenena ireo harena voajahanary Malagasy”, hoy ingahy Reiner Tegtmeyer, izay nanamarika fa efa tamin’ny volana oktobra 2009 no efa nanaitra ny sain’ny rehetra ny Global Witness saingy toa tsy nisy vokany hatreto. Raha ity tatitra farany ity dia milaza fa ny ankamaroan’ireo hazo sarobidy avy aty Madagasikara dia mivantana eo amin’ny tsena sinoa, ireo fanaka tena mihaja, ary ny ampahany kely kosa no mankany Eoropa sy Etazonia hanamboarana zavamaneno vita amin’ny “bois de rose”. Araka ny fanazavana avy amin’i Alexander von Bismarck, EIA, dia eo amin’ny 1 tapitrisa dolara ny sandan’ny fandriana iray vita amin’ny “bois de rose” malagasy.
Latsaky ny 0,1%-n’io anefa no mba tonga aty ifotony. Raha ny fanadihadiana ihany dia mahatsapa ireo mpanjifa sinoa fa tsy ara-dalàna ary atahorana ho lany tamingana ireo hazo nanamboarana ireo fanaka ireo. Ny volana jolay 2010 no nanambaran’ny UNESCO fa anisan’ireo vakoka iraisam-pirenena atahorana ho lany tamingana ny ala mandon’Atsinanana izay tena voa mafy amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Nanomboka teo dia nisy firenena vitsivitsy nanakana ny fidiran’ny hazo sarobidy tsy ara-dalàna avy aty Madagasikara hiditra ao amin’ny taniny. Anisan’ireny i Etazonia, araka ny lalan’i Lacey, izay mandrara ny fivarotana hazo tsy ara-dalàna avy aty Madagasikara. Miantso an’i Chine koa ny EIA sy ny Global Witness mba handray fepetra. Izany, hoy izy ireo dia andraikitra goavana hanampy amin’ny famongorana ny varotra sy fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna avy aty Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.