Tsy re be tsy re kely ny amin’ilay fandravonan-kevitra nivoaka nandritra ny Dinika Santatra natao ny faran’ny volana jolay 2010 teo.
Iray volana aty aoriana, mitranga mihemotra manao ampitso lava sisa ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC (Coalition des Organisations de la Société Civile), izay nomen’i Andry Rajoelina tsodrano ary nohamafisina tamina didim-panjakana, hikarakara azy iny. Ny isan’ny mpandray anjara no mody nampahafantarina rehefa manomboka miakatra ny feo avy eny anivon’ny distrika eny, mitaky ny hamoahana ho fanta-bahoaka ny fandravonan-kevitra tamin’ireny. Rehefa tomorina sy nohadihadiana anefa ny raharaha dia miha mazava ny resaka ankehitriny fa tsy arakaraka izay nandrasan’ny mpaniraka, dia ny FAT, sy ny nantenain’ny nirahina dia ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC ny hevitra nivoaka nandritra iny Dinika Santatra iny. Tsaroan’ny rehetra tsara, raha nanao fandaharana tampoka tamin’ny haino amanjerim-panjakana i Andry Rajoelina, noraisim-peo mialoha tao Mahajanga, ny 24 jolay, ary nalefa ny alin’ny alahady 25 jolay dia efa nanome ny heviny ny amin’izay andrasany mikasika iny dinika santatra iny.
Nolazainy tamin’izay fa tsy mety aminy ny tetezamita iaraha-mitanana, ary tsy mila izany tetezamita bis na tetezamita tena izy izany izy. Izay anefa no notakian’ny mpizaika nandritra ny Dinika Santatra, niampy ny handravana ny FAT ka hananganana ny tetezamita tena izy. Araka ny fantatra aza izao dia ny 110 amin’ireo distrika 119 nanaovana iny Dinika Santatra iny no mitaky ny fizakan-tenany ny faritra na faritany teo aloha. Tsy mety amin’i Andry Rajoelina anefa io raha ny nambarany nandritra ilay ady hevitra tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny alahady 29 aogositra teo indray. Fanina ary dia hivoaka sempotra, araka izany, ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC manao ny fandravonan-kevitra. Hiharihary ny fizakantenan’ny faritany na ny faritra raha ny hevitry ny mpizaika no arahina, tsy hahafaly an’i Andry Rajoelina nanome fitokisana azy ireo izany. Hamboarina amin’izay mahametimety ny mpaniraka indray dia hifandona amin’ny mpizaika, ary hiteraka savorovoro toy ny mitranga any Toliara amin’izao fotoana izany. Niditra an-tsehatra ireo mpikambana ao amin’ny CCC (Conseil Consulatif Constitutionnel) ilay komity najoron’ny FAT handray ireo sosokevitra momba ny lalàmpanorenana. Nalefa nitety faritra izy ireo, mba hanazava sy hanomana ny sain’ny olona amin’ny hoe ny lalàmpanorenana mety amin’i Madagasikara.
Tany Tolagnaro ingahy Patrick Rajoelina, iray amin’ireo mpikambana sivy ao amin’ny CCC. Nambarany tany fa ny lalàmpanorenana mifototra amin’ny fanjakana tokana no nanaovany famelabelaran-kevitra tao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Tolagnaro. Tsy nahafaly ireo mpanao politika tonga nihaino azy izany, satria tsy izany, hoy izy ireo, no nivoitra nandritra ny Dinika Santatra fa ny fizakantenan’ny faritra sy ny faritany. Tetika hamiliviliana ny sadin’ny olona no nandraisan’ny tao Tolagnaro ny dian’i Patrick tany an-toerana ary dia savorovoro no saika niafarany. Tsy nionona teo ny Raiamandreny Mijoro sy ny COSC. Araka ny fantatra fa dia nampiantso manampahaizana manokana fito teo, handray an-tanana ny fandravonana ny hevitra nivoaka nandritra ny Dinika Santatra. Niharihary tamin’izany fa tsy azo ihodivirana ny fizakantenan’ny faritra sy ny faritany. Izay no heverina fa anton’ity fahanginan’ny Raiamandreny Mijoro ity, tsy ahazoana tatitra ofisialy sy mazava mikasika ny fandravonana ireo hevitra nivoaka nandritra ny Dinika Santatra notontosaina tamin’ny faran’ny volana jolay 2010 nanerana ny distrika miisa 119 eto amin’ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.