Politique

Fandravana ny fotodrafitrasam-panjakana Tsy eken’ny vahoakan’i Bongatsara


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Mbola mitohy hatrany ny olana momba ilay ady tany eo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe eo Amboanjobe, kaominina Bongatsara Atsimondrano.

 

Raha tsiahivina, nanaovan’ny kaominina fanadihadiana manokana io tany io. Misy olona roa samy milaza ho tompony mantsy ary manana taratasy avokoa. Ny iray no tena manana taratasy ara-dalàna saingy nanolotra ny tany mba hampiasain’ny kaominina hananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka.  Tsy nanaiky izany kosa ny iray fa namefy ny tany mihitsy teo aloha, famefena izay tsy nahazoana alalana teo anivon’ny kaominina satria tsy nanaovana fangatahana. Nisy ny fampiantsoana ny tompon’ny tany in-telo nisesy nataon’ny kaominina saingy olon-kafa hatrany no nalefan’iretsy voalohany. Voatery nandray fepetra ny mpanolotsaina kaominaly sy ny ben’ny tanàna. Narodana ny fefy ary navela malalaka mba hivarotra ireo mpivarotra madinika. Natsangana ihany koa ny “abris-bus” vaovao, asa izay niarahan’ny kaominina tamin’ireo koperativa maromaro nangataka izany taminy sy orinasa iray. Vita soa aman-tsara ny fotodrafitrasa ankehitriny ary efa noraisina ara-pomba teknika ny sabotsy teo. Mandeha sahady anefa ny feo fa horavan’ilay olona nanangana fefy tsy ara-dalàna milaza ho tompon’ny tany ity “abris-bus” ity ka tsy eken’ny vahoaka. Mahatsiaro ho afa-pahasahiranana amin’ny ezaka ataon’ny kaominina mantsy izy ireo ary mbola maniry ny hitohizan’ny asa hatrany. Tsy nijanona teo ny raharaha satria dia fantatra fa nitory ny kaominina Bongatsara mihitsy ny tompon’ny tany, raharaha hiakatra Fitsarana amin’ny alarobia izao. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Rabearisoa Hantanirina fa araka ny lalàna 2015 025  mifehy ny fanajariana ny tany ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fanorenana dia zon’ny kaominina tanteraka ny manangana  fotodrafitrasa tahaka izao, 15 na 20 metatra miala ny lalam-pirenena. Mbola manana zo ihany koa ny kaominina amin’ny lalana kaominaly 7,5 metatra miala ny arabe. Mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana izy ireo, araka izany, ho tombontsoan’ny vahoaka ao amin’ny kaominina iadidiany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT