Politique

Fandrarana etsy sy eroa Potika tanteraka ny demokrasia !


  • Talata 16 Novambra 2010


Nivoaka koa ny fanapahan-kevitry ny FAT izay hampiharin’ny Emmo-Reg ny amin’ny fandrarana ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka izay hany toerana ahafahan’ny mpanohitra maneho hevitra raha ny eto an-drenivohitra. Dia raha ho tezitra ny olona manoloana izany dia hosamborina sy halefa etsy Antanimora indray ary etsy Ambatolampy ny an’ny mpitari-tolona. Midika izany fa terena tanteraka ny vahoaka tsy hihetsika, tsy hiteny ary hijery fotsiny ny zava-misy izay efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Na ny andriam-panjakana mahefa aza dia efa tsy mitovy intsony ny fomba fijeriny momba ny demokrasia. Porofon’izany ny tsy fanapahan-kevitra raisin’ny andaniny dia tsipahin’ny ankilany. Raha tsy hilaza afa tsy ny fanomezana alalana avy amin’ny PDS izay notsipahin’ny «Préfecture de police». Na koa ny fanapahan-kevitry ny ministeran’ny atitany izay notsipahin’ny «Préfecture de police» hatrany. Mikorontana anatiny ny fanjakana ary rehefa ifotoran’ny vahoaka dia mainka koa mikorontana sy tsy mahafehy ny asany intsony. Dia ny manao jadona sisa no hany hery, toy izao fandrarana ny Magro izao. Izay no fahafantarany ny atao hoe demokrasia, ankoatra ny fisehosehoana etsy sy eroa izay ny volam-panjakana avokoa no mihodina ao... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT