Na tsy misy tokotaniny aza ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia dia tsikaritra ny fandraisan’andraikitra mitanila ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa manodidina ny toerana hanatanterahana ity fihaonana ity.
Hotakontakonana amin’ny fanaovazana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa talaky maso izay mety holalovan’ny vahiny ny tena fiainana andavanandro eto amintsika. Ireo faritra hafa tokony hilana fanajarina toy ireo lakandrano marobe dia jerem-potsiny kanefa ny fahavaratra ho avy. Tsy milatsaka akory ny orana dia efa miferon’aina indray ny mponin’Antananarivo amin’ny tondra-drano. Tsy mba misy ny fandraisan’andraikitra mafonja avy amin’ny fanjakana foibe fa dia vahaolana vonjy tavanandro no atao. Na ny asa atao ankehitriny aza dia inoana fa tsy nosainina akory ny hanao izany raha tsy misy ity fihaonana ity. Ny fandraisan’andraikitra misy eto dia natao mba hanakonana ny tsy mety eto amin’ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy fa tsy avy amin’ny nahimpon’ny mpitondra mba ho soa ho an’ny vahoaka Malagasy. Rehefa mitondra dia tokony hahay hitsinjo mialoha ny zavatra ho avy ka dieny izao dia tokony hisy ny fandraisan’andraikitra manoloana ny loza voajanahary ho avy fa tsy rehefa teraka indray ny loza vao andeha hamendrofendro toy ny manao propagandy eny amin’ny traboina indray izay toetra efa mahazatra ny mpitondra eto amintsika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.