Mihambo ho tany tan-dalŕna i Madagasikara, saingy inona no antony hanaovana lalŕna raha raha toa ka ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalŕna ihany no manosihosy azy ? Nefa ny lalŕna dia natao hampiharina,
hoy ny SEFAFI tamin’ny fanambarana nataony ny 8 oktobra 2016. Nomarihiny fa tamin’ny 28 septambra 2016, dia solombavambahoaka 107 tamin’ny 155, Loholona 52 tamin’ny 63, minisitra 12 amin’ny 32 tao amin’ny governemanta Mahafaly no tonga nametraka ny fanambaram-pananany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Araka ny andininy faha-41 ao amin’ny Lalàmpanorenana anefa, dia tsy maintsy manatitra ny fanambaram-pananany any amin’ny HCC ry zareo mialoha ny handraisany ny asany. Izay tsy manaja izany dia mety higadra 6 volana ka hatramin’ny 5 taona ary handoa sazy 10 ka hatramin’ny 40 tapitrisa Ariary, roa volana aorian’ny fampahatsiahivana tsy mandalo any amin’ny Fitsarana. Tsiahivina fa ny solombavambahoaka dia nandray ny asany tamin’ny febroary 2014, ny Loholona ny febroary 2016 ary ny minisitra ny aprily 2016. Solombavambahoaka 48, Loholona 11 ary Minisitra 20 izany no tokony ho voasazy. Iza anefa no ho sahy hanao izany ? Tsy misy eo ambonin’ny lalàna anefa, hono.
Nanaovan’ny SEFAFI fanamarihana ihany koa ny fisian’ny lalàna nolaniana sy navoaka nefa tratra aoriana loatra ny didy fampiharana azy. Ny lalàna lah. 2007-037 ny 14 janoary 2008 mikasika ny Faritra sy ny Orinasa Afaka haba eto Madagasikara ohatra dia tsy nankatoavina ny didy fampiharana azy raha tsy ny 7 jolay 2015, izany hoe : 7 taona sy 5 volana taty aorian’ny namoahana azy. Toy izany koa, ny lalàna lah. 90-031 ny 21 desambra 1990 mikasika ny seraseran’ny haino aman-jery - nofoanana taorian’ny namoahana ny Fehezan-dalàna vaovaon’ny fifandraisana - dia niandry vasoka fotsiny, nandritra ny 20 taona mahery, ny fepetra mifehy ny fandaminana ny sasantsasany taminy. Ny didim-pitondrana lah. 29.511/2013 niarahan’ny minisitera noraisina nanomboka ny 3 oktobra 2014, dia mandrara ny fifohana sigara any anatin’ny toerana rehetra na mifefy natao ho toeram-piasana, toerana ho an’ny sarambabem-bahoaka sy fitateram-bahoaka, nefa vao mankeny amin’ny tsena fivarotana etsy Soarano sy Behoririka dia hita fa mifoka sigara tsy amin’ahiahy ny olona. Ampahany amin’ny tranga fanosihosena lalàna sy fitavozavozana amin’ny fampiharana lalàna eto Madagasikara ireo, notsikafohin’ny SEFAFI ireo, izay ambarany fa fototry ny fikorontanan’ny fiarahamonina sy tsy mampandroso antsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.