Politique

Fandaminana ny krizy Tsy azo ihodivirana ny Fampihavanana


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011

“Ndao hiroso amin’ny fifamelana faobe !”, hoy i Robert Razaka, nitondra teny ny vondrona HPM nanoloana ny Governemanta nandritra ny fifanatrehana teny amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny alakamisy 30 jona lasa teo, mba hisian’ny fitoniana eto.

 Ny FFKM, tamin’ny hafatra pentekôty nataony tamin’ity 2011, koa dia nanambara fa tsy hisy krizy hivaha eto raha tsy mibebaka amin’izay vitany ny Malagasy tsirairay ary mifamela. Ny Pr Zafy Albert dia efa hatramin’ny 2002, nitarihany ny CRN mandraka ankehitriny itarihany ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana, dia tsy mitsahana mitolona amin’ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena, handravonana ny disadisa mampizarazara ny Malagasy izao. Ankehitriny dia nametaka ny fanamiana ny Rév. Satrobory, hijoro ho mpampihavana, ka voalohany hiantefan’ny asany dia ny hampifanatona an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay fototr’izao krizy izao. Sanatria tsy hisalovana andraikitra na hisolo ny FFKM ny tenako, hoy ny Rév. Satrobory fa mahatsiaro ho manana adidy aman’andraikitra kosa amin’ny maha mpitondra fivavahana, toy izay nataon’ny Mgr Desmond Tutu nandamina tao Afrika Atsimo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT