Politique

Fandaminana ny krizy Nandroso hevitra hafa i Savaron Malala


  • Alarobia 06 Jolay 2011

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny i Savaron Malala, ilay renim-pianakaviana efa fantatry ny maro tamin’ny asa fanaovan-gazety no sady efa in-droa nilatsaka ho Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny taona 2003 sy 2007.

 Nambarany fa anisan’ny vahaolana tokana no sady mahomby ho an’ny firenena amin’izao krizy lalim-paka izao ny fananganana ireo rafitra roa vaovao dia ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpampahalala vaovao, izay fahefana hahaleotena fa tsy baikon’ireo fahefana hafa ankoatra ireo rafitra roa efa misy. Diso manjaka tokana loatra mantsy ireto farany, araka ny fahitan’i Savaron Malala azy ihany. Ankoatra ity fananganana rafitra vaovao ity dia nambarany koa fa anisan’ny zavatra tsy ampy eto amin’ny firenena ireo fifanampiana sy ny fanampiana ary ny fifankatiavana na ny ilay 3F. 3F izay mampianatra ny tsirairay avy hahay hanome sy hizara ho an’ny hafa ihany koa fa tsy hanao ampihimamba hatrany izay azony ho an’ny tenany samy irery. Io toe-tsaina io, hoy ihany i Savaron Malala no anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izay iainan’ny vahoaka ankehitriny. Tsy mahay mizara ireto tokony hanao izany ka manetsika ny hambom-pon’ny sasany ary mitarika ireto farany hanaotao foana. Nambaran’i Savaron Malala ihany koa fa anisan’ny vahaolana haingana hiverenan’ireo mpanao politika lasa sesitany eto amin’ny firenena sy ireo gadra noho ny heloka tsy nataony ny fijoroan’ireto rafitra roa vaovao ireto.

 

Pati

 

sary : Nandritra ny resadresaka nifanaovan’i Savaron Malala, tamin’ny mpanao gazety omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT