Politique

Fanavotana ny firenena Tafatsangana ny vovonana FFT


  • Alatsinainy 07 Novambra 2016

Nanao tohivakana tato ho ato ireo karazana fikambanana milaza ho miaro ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Nipoitra indray ny vovonana “Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana” na ny FFT ny sabotsy teo, tarihin’ireo minisitra efatra am-perinasa ankehitriny, ny solombavambahoaka avy amin’ny faritra sy ny loholona.

  Mahatsapa izy ireo nandritra ny fanambarana nataony fa ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny fifanampiana hahafahana mampandroso ny firenena fa tsy voatery hirona mankany amin’ny fanonganam-panjakana hatrany vao misy vahaolana. Ekena fa sahirana ny vahoaka nefa tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny ezaka ataon’ny fanjakana izay ilana ny fifanohanan’ny rehetra, hoy izy ireo. Vonona ny hanokatra ny varavarany sy hifampiresaka amin’ny rehetra izy ireo hisian’ny fifanohanana. Ny minisitry ny kolontsaina Jean Jacques Rabenirina, ny minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu, ny minisitry ny fitaterana Ramanantsoa Benjamina Marcel no anisan’ny lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ity vovonana ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT