Politique

Fanavotana ny Firenena Miandry an’i Dada ny Malagasy


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Samy variana amin’ny adilahy eto an-drenivohitra ny ankamaroan’ireo mpanao politika eto amintsika.

 Tsy toy izany kosa ny an’Atoa Marc Ravalomanana, ny laharam-pahamehana na dia nisy aza ny resaka niniana naely fa teny Mahamasina ny tenany ny sabotsy teo. Nanatrika ny jobily faha-100 taonan’ ny Fjkm Ampanaovamarina Mananara Avaratra anefa i Marc Ravalomanana ary nanararaotra nihaona tamin’ny vahoaka tany an-toerana. Toy ny tany Mahajanga, Maroantsetra sy ireo toerana maro notsidihany dia maro hatrany ny vahoaka manaraka ity filoha teo aloha ity. Hafaliana tsy omby tratra no nandraisan’ny olona azy tany an-toerana noho ireo vahoaka efa ela no nangetaheta ny fitsidihan’Atoa Marc Ravalomanana izay tsy hitan’izy ireo tao anatin’ny fotoana ela. Azo lazaina ho tafaray ny tia sy ny manina nandritra ity fihaonana ity. Iaraha-mahalala sy iaraha-mahita rahateo fa tsy vahiny amin’ny Malagasy ny tenany raha fahaizana mitakosona amin’ny vahoaka ka fahafinaretana ho an’ny rehetra ny miara-dalana aminy. Nihaona tamin’ireo ankolafin’olona rehetra toy ny tangalamena, sefom-pokontany, mpianatra, olon-tsotra, mpandraharaha, mpampianatra, mpiasam-panjakana ny tenany ka nandray azy tamin-kafaliana sy tamin-kitsimpo ny rehetra. Nanararaotra nitatitra sy nitondra ny hetahetany ary ny olany ny ankolafy tsirairay ary samy mbola mahatsiaro sy mahatoky tanteraka ny fahaizany nitondra sy ny tena fitiavan-tanindrazana nananany.


Toky R.

 

 

                                                                                                                          

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT