Mikatso ny dinika famahana ny krizy. Vao mainka nanampy trotraka izany ilay fitsarana ny raharaha 7 febroary, ka nanamelohan’ny fitsarana misahana ny heloka bevava tsotra ny filoha Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty, araka ny fanirian’ny FAT. Resaky ny moana sy ny marenina sisa taorian’izay.
Mikiribiby hanohy ny fitantanana samirery ny tetezamita ny FAT, fa hoe manana ny UDR-Fanovana sy ny Escopol manohana azy. Etsy andaniny mitaky ny hisian’ny fitoniana politika ny Ankolafy Telo, ary koa ny famoahana ireo gadra politika sy ny fanalalahana maneho hevitra ary ny fiverenana an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo rehetra sesitany. Etsy ankilany, ifandroritana ny fitarihana vondron’antoko na antoko toy ny miseho eo anivon’ny Tiako I Madagasikara sy ny Hery Politika Mitambatra, raha efa nisamatsamaka toy izany koa ny Herin’ny Fanovana nanohana ny FAT, ka nisian’ny DEFI, UDR… Potika amin’ny adilahy politika ny firenena. Valalanina ny vahoaka tsy mandady harona. Manararaotra ny mpandroba harem-pirenena. Eo no mipetraka ny fanontaniana. Inona no ataon’ireo Malagasy avara-pianarana, indrindra ireo nofanina manokana amin’ny fahaiza-mitarika (Leadership) manoloana izao kihon-dalana misy ny firenena izao ? Raha ny lojika tokoa mantsy dia anatin’ny fotoana sarotra toy izao no ivoahan’ny tena “Leaders”, tsy Leader antoko akory, fa “mpitarika mahomby”.
Betsaka ny tanora nahazo fiofanana, maro amin’izy ireny aza no nandanian’ny fanjakana vola mihitsy ny famolavolana azy. Aiza, ohatra, ireo tanora nofanin’ny Friedrich Ebert Steftung tamin’ilay programa Youth Leadership Training Program (YLTP) no tsy mijoro ? Efa andiany dimy (25 isan’andiany) no nofanina ho amin’izay fahaiza-mitarika izay, ary eo amin’ny andiany faha-6 ankehitriny, ary ireo nandalo tao amin’ny NLIM (National Leadership Institute of Madagascar) izay an-jatony ny isany, toy izany koa ireo nandalim-pahaizana tany Abilene Christian University. Maninona izy ireny no tsy miseho, mandray andraikitra hanavotra ity firenena ity ? Maninona izy ireny no tsy mijoro, fa dia hamela ity Madagasikara ity hoviravirain’ireo goaika antitra amin’ny politika, mpivadibadika palitao, tsy mihevitra afa tsy izay tombontsoany manokana ? Mampieritreritra ihany ny toy izany, sa tsy matoky tena amin’izay zavatra niofanany sy norantoviny ireny lazaina “Leaders” ireny, na koa miveritra tsy aferany ny politika fa anjaran’ny mpanao politika izany fa aleo manomana ny aorian’ny krizy ? Raha izay mantsy no izy dia mbola ho ela vao tafavoaka ity Madagasikara ity ary matiantoka ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.