Politique

Fanatsarana ny lalam-pifidianana Adihevitra mikatona ho an’ny olom-pirenena


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Tsikera maro no azon’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) tamin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana loholona ny volana desambra 2015.

Tsy nanana afa-tsy roa volana anefa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana, hoy ny filohany Rakotomalala Hery. Olana goavana tsikaritra ary efa nitondran’ity rafitra voalohany misahana ny fifidianana ity fanamarihana moa ny tsy firindran’ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara. Izany indrindra no anton’ireo atrikasa samihafa fakan-kevitra natao tamin’ireo hery velona isan-tsokajiny toy ny fiarahamonim-pirenena sy ny fianakaviamben’ny tontolo politika. Nitohy tamin’ny fandraisana ireo tolo-kevitra avy amin’ireo andrimpanjakana sy rafitra mijoro ara-dalàna eto amin’ny firenena kosa ny dingana nanomboka omaly. Manana adidy sy andraikitra amin’ny fanatsarana ny lalam-pifidianana rahateo ny besinimaro, araka ny notsindrian’ny lehiben’ny CENI tamin’io fotoam-panokafana teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina io. Mikatona ho an’ny olom-pirenena mpisehatra voalohany amin’ny fifidianana anefa ny adihevitra nambara ho misokatra ho an’ny rehetra.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT