Hiasa hiaraka amin’ny ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana sy ny ekipany hanarina ny kaominina Antananarivo renivohitra ny profesora James Robinson.
Hizara sy hitondra ny traikefany amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ihany koa ity manampahaizana fanta-daza manerantany eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny siansa politika ity. Nisongadina ireo nandritra ny fihaonany mivantana tamin’ireo mpiasan’ny kaominina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely sy ny fifanakalozan-kevitra niarahany tamin’ireo mpikatroka TIM notarihan’ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc teny Faravohitra omaly.
Fitaratr’i Madagasikara
«Tsy mahalala loatra ny fifandraisana eo amin’ny fanjakana foibe sy ny kaominina Antananarivo renivohitra aho», hoy ny profesora James Robinson. Tranga mampalahelo anefa ny fisiana olana eo amin’ny roa tonta raha sanatria misy izany. Tsara ho fantratry ny mpitondra fanjakana sy ny mponina ao aminy kosa fa fitaratry ny firenena iray manontolo ny zava-misy ao amin’ny renivohiny ka tsy maintsy hitsaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara ny hitan’ny vahiny mitsidika ny tanànan’Antananarivo. Miainga eo anivon’ny ny renivohitra hatrany rahateo ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny ao anatin’ny firenena, hoy ity mpahay toekarena sy politika anglisy ity.
Vina iombonana
Anisan’ny antony tsy mampandroso firenena, hoy ity mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Harvard any Etazonia ary mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Chicago amin’izao fotoana ity, dia tsy mahavita ny asa fototra tokony hataony ny fitondrana toy ny fanorenana foto-drafitrasa, ny fanaovana zavatra iombonana, indrindra ny tokony hampitomboana ny fampidiran-ketra. Tsy vitan’ny fitondrana koa hoy izy ny fanamafisana ny demokrasia. . Tena ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpitantana ara-politika rehetra amin’ny fibanjinana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Vokatra takiana amin’izy ireo ny vina iombonana ho fampivoarana ny fiaraha-monina Malagasy. Anisan’ny nazavain’i Pr James Robinson fa tsy misy toekarena mandeha eo amin’ny firenena raha tsy matanjaka ny politika. Noho izany hoy izy mila antoko politika matanjaka ny fampandrosoana ny firenena. Noho izay antony izay, nanambara ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana, fa hanampy amin’ny hanaovana ny antoko TIM ho matanjaka eto amin’ny firenena ny Pr James Robinson. Hanampy ity antoko najorony ity izy, fa ny tena ahatongavany eto hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny TIM sady mpanolotsaina teknika manokan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, dia ny hanampy indrindra indrindra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ramano F. / Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.