Nanambara ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra,
Harrisson Gabriel omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely fa tsy marina ny vaovao naelin’ny haino aman-jery sasany mikasika ny zava-nitranga ny alahady teo teny amin’ny manodidina an’Ambohijatovo sy Analakely. Tsy nisy voadaroka sy naratra izany nandritry ny fandraofan’ny mpiasan’ny kaominina ny entan’ireo mpivarotra amoron-dalana, hoy izy. Misy lalàna mifehy azy ny fakana ny entan’ireo mpivarotra amoron-dalana ary nanaja izany ny mpiasan’ny kaominina. Mila jerena ihany koa ny mahazo ireo polisy monisipaly ireo satria dia amin’ireo mpivarotra amoron-dalana mitokona dia misy mpiakaramanady tafiditra. Mitora-bato ny mpiasan’ny kaominina izy ireny ary ny sasany manompa reny.
Mety hitory
Tamin’ireo polisy monisipaly ireo dia efa am-polony no naratra ary vaky loha mihitsy ny sasany. Ireo mpivarotra sasany dia sady misintona ny entana alaina eny aminy no midaroka ireo polisy ka rariny raha miaro ny tenany izy ireo. Niangavy moa ny tenany ny amin’ny mba tsy hivarotan’ireo mpivarotra eny amoron-dalana intsony. Misy lalàna ihany koa ny resaka fitakiana ny zon’ny mpanjifa. Raha samy hitokona daholo ity tsy manara-dalàna rehetra ity dia ho tsy ara-dalàna eto foana isika. Mety hitory ny gazety izay namoaka iny vaovao tsy marina iny ny kaominina, hoy izy. Araka ny tatitra avy amin’ny dokotera nizaha ny razan’ilay namoy ny ainy tamin’iny alahady iny moa dia fahatairana tampoka (choc émotionnel) no nahazo ity olona ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.