Politique

Fanapahan-kevitry Andry Rajoelina Tsy nanaiky ny SADC, henitra i Chissano


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Tsy azo ekena ny fandehanana amin’ny lalan-tokana, hoy ny mpitarika ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, ny filoha mozambikanina teo aloha, Joachim Chissano.

Tsy misy afa-tsy tetezamita iombonana, iarahan’ny rehetra no lalana hivoahan’i Madagasikara, hoy ihany i Chissano. Araka izany dia manery ireo mpitarika politika malagasy rehetra ny tenany hiverina an-databatra boribory hiara-hamaritra izay sori-dalana heverina fa hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Ao anatin’izany ny tetiandro mifanaraka araka ny tokony ho izy, izay hifanarahan’ny rehetra. Raha ny fanazavana dia mino tanteraka ny mpanelanelana fa ny tenierana ihany no hany lalana. Manoloana izany ary dia tokony hirosoana ny fampihavanana sy ny fifampidinihana amin’ny famerenana ny ara-dalàna. Ao anatin’izany ny fanaovana ny fifidianana, ny fametrahana ny governemantan’ny tetezamita ary ny vaomiera mahaleo tena hisahana ny fifidianana izay hiandraikitra ny fanomanana amin’ny ankapobeny ny fifidianana. Izany dia mba hahafahana miantoka fifidianana mangarahara, malalaka, azo antoka ary inoan’ny rehetra. Nohamafisin’i Joaquim Chissano fa ny fifampidinihana sy ny fahitana marimaritra iraisana ihany no tokony hizorana hahatongavana any amina vahaolana maharitra ho tombontsoa ambonin’ny firenena Malagasy. Na dia eo aza ny fahasarotana dia naneho fahavononana hatrany ireo mpanelanelana hanohizana ny dinika hitadiavana vahaolana amin’ny marimaritra iraisana.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT