Politique

Fanaovana fitaovana politika ny tafika Nokianin’ny filohan’ny SMM


  • Zoma 07 Jolay 2017

Naneho hevitra sy nanakiana ny sakantsakana ataon’ny fitondrana i Fanirisoa Herinaivo, filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM).

 

Notsiahiviny ireo fepetra sy lalàna momba ny fampiasana ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana, izay efa mivaona tanteraka, raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny. Araka ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mitondra ny laharana 02-HCC /AV tamin'ny 16 septambra 2011 mifandraika amin’ny voalazan'ny fehezan-dalàna  56, 65 ary ny 95-II ao anatin’ny lalàmpanorenana dia voalaza fa ny fampiasana bontolo sy tsy araka ny tokony ho izy ny mpitandro ny filaminana dia loharanon’ny korontana ara-politika goavana eto amin’ny firenena. Voararan’ny fitsipika ankapobeny momba ny fampiasana ny tafika na mpitandro filaminana ny fampiasan’ny manampahefana sivily azy amin'ny tsy tokony ho izy na ho an'ny tanjona ara-politika na ho amin’ny tombontsoa manokana ... Ny fitsipika demokratika sy ny fitsipiky ny fanjakana tan-dalàna no fototry ny Repoblika, izay antoky sy fiarovana ny sy zo fototra maha olona sy ny fahalalahana sy ary zo fototra maha olom-pirenena dia tsy maintsy hajaina sy tanterahina ao anatin’ny fampiharana ny politika momba ny fiarovam-pirenena fiarovana-pirenena. Tsy izay anefa no miseho amin’izao fotoana izao, fa toa zary lasa fitaovana politika hoentin’ny mpitondra mamoritra izay tsy mitovy hevitra aminy ny mpitandro filaminana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT