Niditra an-tariby nivantana tetsy amin’ny Magro Behoririka ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 30 jolay teo, nitondrany fanazavana mikasika ny dingana misy ny famahana ny krizy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Vahoaka nifanitsa-kitro no niandry ny fanazavany tamin’io. Nomarihin’ny filoha Marc Ravalomanana fa misy mamafy vaovao tsy marina ka manakorontana ny saim-bahoaka amin’ny filazana fa ho avy eto Madagasikara amin’ny fiandohan’ity volana aogositra ity ny iraky ny SADC. Hentitra ny teniny nilaza fa “tsy anjaran’ny mpanongam-panjakana no mamaritra ny fahatongavan’ny mpanelanelana aty Madagasikara fa anjaran’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC no milaza ofisialy izany”.
Nampiany fa «miteniteny foana» izay milaza ankoatra azy ireo. Ilaina ny filazana ny marina amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana. Izy no nanazava fa misy fepetra tsy maintsy arahina mikasika ny fanatanterahana ilay fehin-kevitra tapaka momba an’i Madagasikara. Notsiahiviny fa ny fivorian’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba dia nankato ilay sori-dalana nasiam-panitsiana tapaka tao Sandton Afrika Atsimo izay milaza mazava fa mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika any ivelan’i Madagasikara, ary afaka handray anjara amin’ny raharaha politika indray ; avoaka daholo ireo gadra politika sy voatana am-ponja tsy fidiny vokatry ny krizy politika ; sokafana avokoa ireo haino aman-jery nakatona mba hahafahan’ny olona maneho hevitra an-kalalahana anatin’ny fenitra demokratika.
Ankoatra izay dia nilaza ny filoha Marc Ravalomanana fa nanamafy taminy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola toy ny Banky Iraisam-pirenena, Tahirimbola Iraisam-pirenena, Vondrona Eoropeanina ary Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana, izay nampiato ny fanampiany an’i Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana nitranga teto, fa tsy hiverina izany fanampiana ara-bola izany raha tsy manaraka sy mankato ny fanapahan-kevitry ny SADC sy Vondrona Eoropeanina ireo ankolafy politika eto. Miankina amin’io fanampiana avy any ivelany io avokoa anefa, hoy izy ny 80 isan-jaton’ny fampandehanan-draharaha eto. Ka izany fifidianana Kaominaly heverin’ny FAT hatao izany, hoy ny filoha Ravalomanana, dia tsy hahazoana fanampiana avy amin’ireo mihitsy fa fandanian’andro fotsiny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.