Politique

Fanantera Longin Louis Gaga tamin’ny taham-pifidianana tany Androy


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Manafosafo ny 70% ny taham-pifidianana tany amin’ny Faritra Androy raha ny tatitra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny alarobia 17 novambra 2010.

Ny mpifidy tao Androy no navitrika nandatsa-bato indrindra miohatra amin’ireo Faritra 21 hafa manerana ny Nosy. Tsy atao mahagaga koa ny vokatra azon’ny mpomba ny ENY, izay avo dia avo tokoa. Gaga tanteraka amin’izany vokatra izany i Fanantera Longin Louis, depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Beloha Androy, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, diso mahafantatra loatra ny mpifidy amin’iny Faritra misy azy iny. Tsy mpifidy ny Antandroy, hoy izy. Na mifidy olona toy ny Ben’ny tanàna na depiote aza ny any tsy tonga mifidy, mainka ka zavatra tsy fantatra fa soratra fotsiny. Aza adinoina koa, hoy ny depiote Longin fa ny Faritra Androy no be olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra indrindra manerana ny Nosy, koa mahagaga ihany, hoy ity olom-boafidy ity raha any amin’ny Faritra ambony ny tahan’ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra indray no lazaina fa be mpifidy. Aza hararaotina amin’ny lavotondro ny zava-misy any aminay, hoy izy.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT