Politique

Fanambaran’ny SEFAFI Mampatahotra ny fifidianana 2018


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Mampanahy zava-drehetra amin’ny fifidianana ho avy, raha haravona ny fanambaran’ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena).

Nankatoavin’ny lalàm-panorenana 2010 ny fepetra vaovao izay milaza fa ny Prezidàn’ny Repoblika mirotsaka ho kandidà handimby ny tenany ihany dia tsy maintsy mametra-pialàna 60 andro mialoha ny datim-pifidianana. Misy kosa anefa banga amin’ny lalàna mikasika ny fitsipika ampiharina amin’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona misolo toerana azy, kanefa mety hahatratra enim-bolana na mihoatra io fisoloan-toerana io, raha raisina koa ny faharetan’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Momba ny lisi-pifidianana, izay nakatona ny 31 janoary 2017 dia ahitana mpifidy miisa 9.124.901 raha toa ka mananika ny 25 tapitrisa ny Malagasy ary efa feno 18 taona ny antsasamanilany. Mampanahy ny fahaleovantenan’ny CENI eo anatrehan’ny fitondrana, indrindra eo anatrehan’ny ministeran’ny atitany sy ny rantsa-mangaikany. Ny CENI dia tokony hizatra hanao tamberin’andraikitra amin’ny olom-pirenena. Inona moa no ilana ny takila web-ny, feno ny sarin’ny fihaonany amin’ny mpitondra sy ny mpamatsy vola ary ny fanaterana antontan-kevitra tsy fantatry ny olona akory izay raketiny? Mbola tsy ampy mangarahara foana ny asa ataony, tsy ampy ny fiseraserany amin’ny vahoaka. Olana ihany koa ny famatsiam-bolan’ny vondrona iraisam-pirenena ao anatin’ilay kitapom-bola “Baket-fund” izay tsy misy afa-tsy $12 tapitrisa, nanalana ny antsasany raha mitaha amin’ny 2013. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ankehitriny dia mahavelona ahiahy ho miray tsikombakomba amin’ny mpitondra (indrindra amin’ny Filohan’ny Repoblika), asa izany na marina na tsia, dia tsy mandrisika ny vahoaka entina hatoky azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT