Raha tanjozotram-piarakodia nampaneno anjomara sy andian’olona nentanin-kafanampo nitondra sainam-pirenena nihodidina ny renivohitra no nitsena ny fampitam-baovaon’ny SADC nivory tsy ara-potoana tany Windhoek ny 20 mey 2011, nilazana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny harivan’io andro io fa nankatoavina ny sori-dalan’ny tetezamita natao rangopohy teny Ivato ny 09 martsa 2011 dia ny mifanohitra amin’izay no niseho ny harivan’ny talata 14 jona 2011. Io tondrozotra io ihany anefa no nambaran’i Andry Raojoelina, filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita fa hampiharina tsy misy fepetra, saingy nangina Antananarivo, tsy nahitana fientanam-po, tsy niraika koa ny tany amin’ny Faritra. Tebiteby sy ahiahy indray aza no re, satria dia mbola hitarazoka ny krizy ary mety hirongatra ny asan-jiolahy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.