Fito volana aty aorian’ny nandraisan’ireo Loholon’i Madagasikara miisa 63 ny toerany ao amin’ny Lapa maitso Anosikely,
dia ny 52 no nanao fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Avy amin’ny HVM, antoko eo amin’ny fitondrana, avokoa ny 7 amin’ireo 11 tsy mbola nahavita fanambaram-pananana hatreto, ka filoha lefitra mpikambana ao amin’ny Birao maharitra ny iray amin’ireo. Avy amin’ny Mapar ny roa ary iray avy amin’ny Tiako i Madagasikara sy ny tsy miankina. Eny Tsimbazaza indray dia 5 amin’ny 10, izany hoe 50%-n’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena no nahavita fanambaram-pananana, tao anatin’ny roa taona sy tapany nijoroan’io andrimpanjakana io. Filoha lefitra ny telo miampy kestora roa. Ny lalàna no manery ireo mpiasam-panjakana ambony sy olom-boafidy hanao fanambaram-pananana, izay havaozina isan-taona. Fandikan-dalàna ny tsy fanaovana azy, hatreto anefa dia mangina ny HCC.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.