Toa alasafay sisa ny fanaovana fanambaram-pananana ho an’ny mpiasam-pajakana ambony, izay te hanao ihany no manao.
Lalàna no manery ny mpiasam-panjakana mitana andraikitra ambony hanao fanambaram-pananana ary havaozina isan-taona izany. Ho an’ity governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay fatra-panaja ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana ity, izao dia 12 amin’ireo mpikambana miisa 32 no nahavita fanambaram-pananana, telo volana tsy hifaranan’ny taona. Amin’ireo indray dia 4 amin’ireo minisitra vaovao miisa 13 no mba nanao dia i Anandra Norbert, Andriamiseza Charles, Rasolofonirina Béni Xavier ary Rafatrolaza Bary Emmanuel. Eny anivon’ny Parlemanta indray dia 28 amin’ireo solombavambahoaka miisa 151 ao Tsimbazaza no nanao fanambaram-pananana tamin’ity taona 2016 ity, raha Loholona miisa 52 amin’ireo 63 ao Anosikely no nahavita ny azy. Miainga any ambony moa ny ohatra, ka tsy hahagaga raha betsaka amin’ireo tale jeneraly, sekretera jeneraly na koa lehiben’ny Faritra na Prefe no manao izany fanambaram-pananana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.