Politique

Fanamarihana ny 29 martsa 2017 Vonona ny TIM


  • Talata 28 Martsa 2017

Tsy avelan’ny Tiako I Madagasikara handalo fotsiny ny tsingerin-taona faha-70 nisian’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947.

Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fampahafantarana ny taranaka faramandimby ny tantaran’ny firenena Malagasy rahateo ny antoko TIM. Izany no anton’ny hisian’ny hetsika goavana iantsoana ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mahatsiaro tena mbola voageja sy tsy miaina ao anaty fahafahana, indrindra manoloana izao fahantrana lalim-paka misy eto amin’ny firenena izao ho eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny alarobia 29 martsa 2017, hoy ny loholona Ramalason Olga. Fihaonambe ihany koa anefa izy io hifampitam-baovao eo amin’ireo mpanohana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay ho avy eny an-toerana taorian’ny diany naharitra tany ivelany. Andrasana rahateo ny voan-dalana nentiny avy any ivelany mandritra ity fifanatrehan-tava vaovao eo amin’ny mpanohana ny ara-dalàna ity. Teboka tena lehibe kosa moa ny fitondrana am-bavaka ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izay mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny, araka ny fanampim-baovao heno teny Bel’air Ampandrana omaly.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT