Politique

Fanakorontanana Mampitandrina ny HVM


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Azo akana traikefa tsara hanatsarana ny fomba fiasa amin’ny fihaonana an-tampony faha-16 an’ny frankôfônia amin’ny volana novambra ilay fandraisantsika ny fivorian’ny Comesa farany teo, raha ny hevitr’ireo senatera HVM niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly.

 

 Tena voaporofo izao fa tafaverina tanteraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, hoy izy ireo ary atokisan’ireo firenena Afrikanina hafa ny filoha Hery Rajaonarimampianina matoa nekena ho filohan’ny Comesa. Isaorana ny mponina tamin’ny filaminana sy fitoniana nandritra ny 9 andro nivorian’ny Comesa, hoy ireto loholona HVM ireto. Mbola miantso ny rehetra ho tony sy hilamina izy ireo amin’nyfiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia afaka iray volana. Avelao hiasa ny fitondrana fa tsy hokorontanina ary ny vahoaka ihany no mandidy manapaka. Toa mampitandrina ireo mikasa hanao fihetsiketsehana ny antoko HVM eto amin’ny alalan’ireo senaterany sady efa manambara ihany koa fa tsy misy miala eto raha tsy amin’ny alalan’ny fifidianana ihany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT