Politique

Fanakanana ny hetsiky ny TIM Hanentana isam-pokontany ny Emmo reg


  • Zoma 07 Jolay 2017

Nahazo alalana hampihatra ny fahefam-panjakana izahay, hoy ny avy eo anivon’ny CIRGN na ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, tarihin’ny jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka,

manoloana ny fanapahan-kevitra tsy hahafahan’ny antoko Tiako i Madagasikara hanao fihetsiketsehana eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao. Hisy ny fepetra ho raisina, hoy ity jeneraly ity, tetsy Ankadilalana omaly ary hiezaka hanentana isam-pokontany izahay fa tsy hisy io hetsika io. Raha azo atao dia aleo mifanaja, hoy izy, fa tsy misy tombony amin’ny fifandonana.Somary manahirana ity raharaha ity,hoy ny manamboninahitra iray ka aleonay misafidy ny fanentanana ny olona aloha.Fantatra fa maro dia maro ny fivoriana nataon’ireo manampahefana sy mpitandro ny filaminana hikarohana ny paikady mahomby hanakanana ny hetsika fankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM ; fantatr’izy ireo tsara mantsy fa tena ho maro be tokoa ny olona ho avy eo ary filoham-pirenena teo aloha no hitarika azy ireo. Mafy dia mafy koa anefa ny baiko avy any ambony ka dia efa mivonona amin’ny zava-drehetra ny mpitandro ny filaminana ka ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT