Politique

Fanajana zon’olombelona “Tongava hijery !”, hoy i Yvette Sylla


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Fahasahiana lehibe ny an-dRtoa Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-bahiny ao amin’ny governemanta Camille Vital, miantso ny Parlemanta Eoropeanina ho avy eto hijery imaso ny zava-misy raha misy izany tsy fanajana zon’olombelona izany, ho setrin’ny fanakianana mivaivay nataon’ny Parlemanta Eoropeanina ny FAT, ny 09 jona teo.

Mety manana famaritana hafa mikasika ny zon’olombelona angamba ny Fahefana avon’ny tetezamita, fa ny tsy famelana teratany malagasy tsy hiverina an-tanindrazany, toy ny ataon’izy ireo amin’Atoa Marc Ravalomanana amin’izao fotoana anie ka fanitsakitsahana tsotra izao ny zo fototra maha olombelona e ! Ny nanaovana fitsarana tsy natrehiny sy ny namoahana didim-pitsarana nefa sampam-pitsarana tsy mahefa mitsara filoham-pirenena akory dia efa tsy fanajana zon’olom-pirenena.

Tsy fanajana zon’olombelona koa anie ny tsy famelana malalaka ny olom-pirenena haneho ny heviny, fa tsenaina daroka lakrimôzena isaky ny mihetsika e ! Ary ireo olona tazomina am-ponja an-taonany nefa tsy mitsara akory, toy ny mahazo an-dRalitera Andrianandraina, talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mitory tsy fanajana ny zon’olom-belona avokoa ireo, ka inona indray. Ary ny herisetra nampiharina tamin’ireo olona nosamborina noho ny fijoroany tamin’ny heviny ? Lasibatra tamin’izany i Tonton Ambroise, ny 15 mey 2010 raha nivahiny tao amin’ny Fréquence Plus.

Mitondra takaitra mandraka ankehitriny, noho ny daroka sy vono natao azy. Nitondra faisana ny mpitandrina FJKM, Valisoa Rafanomezantsoa, voasambotra raha tonga hivavaka teny Fort-Duchesne, ny alarobia 20 mey 2010. Maty nisy nitifitra teny, ny mpitandrina FJKM Ranaivo Rivo Arison.... Manana masoivoho miasa sy monina eto koa anie ny Vondrona eoropeanina sy ireo firenena mikambana eo anivon’io Vondrona io, mahita tsara ny zava-misy eto ary afaka manao tatitra ny mikasika izany resaka zon’olombelona izany, ankoatra ireo fiarahamonim-pirenena  miaro ny zon’olombelona eto. Koa raha maniry ny hahatongavan’ireo depiote Eoropeanina eto Rtoa Yvette Sylla dia azo antoka fa hanamafy ny fanakianana ankoatra izay efa nataony tao amin’ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny 09 jona teo izy ireo.

 

Jean D.

 

Sary : Tonton Amboise nitondra tehina nivoaka ny fonjan’Antanimora

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT