Politique

Fanagadrana an’i Fernand Cello Tsy mitombina, nivoaka ny porofo


  • Alarobia 17 Mey 2017

Namoaka taratasy ny Banky BFV Fianarantsoa fa tsy nahazo taratasy fanoherana na fitarainana momba fahaverezana taratasim-bola mitondra ny laharana CC27165026 tamin’ny 6 septambra 2015.

Resaka fangalarana io taratasim-bola 4 tapitrisa ariary io sy fanaovana hosoka momba izany anefa no nisamborana ny mpanao gazety Fernand Cello ny zoma 5 mey, ka nampidirana azy am-ponja nanomboka ny alahady 7 mey lasa teo. Ny dingana rehetra mikasika ny fanambarana nahaverezany anefa tsy misy. Efa nisy fotoana ny mpisolovava an’i Fernand Cello, Me Rasoanandrasana Marie Claudia, nilaza fa tsy resaka taratasim-bola ny fandentehana ity mpanao gazety fa antsojay manoloana ny fanehoan-keviny momba ny raharaha fitrandrahana safira any Ilakaka, izay tsy nitoviany hevitra tamin’ny tampon’andraiki-panjakana sy ny mpandraharaha vitsivitsy any an-toerana. Ilay mpandraharaha nitory azy Niry Maherilahy mihitsy no voalaza fa nandrahona an’i Fernand Cello hanatsoaka ny fitoriany tamin’ny fanapahan’io mpandraharaha io ny jiro tao amin’ny Radio Jupiter hoe : “Tsoahy ny fitoriana raha tsy izany lazaiko fa nangalarin’ialahy tao anaty fiara ilay taratasim-bola”, araka ny fanazavana efa nataon’ny mpisolovava. Ny findain’i Fernand Cello no ahitana ny porofo manamarina izany, saingy nogiazana sy tsy noraharahiana aloha hatreto ny fitakiana ny hamerenana azy hatramin’izao, ary mitohy ny fitazonana azy am-ponja vonjimaika. Manoloana ity raharaha ity, manana zo feno hahafahana mitsabo tena ny mpanao gazety Fernand Cello, izay namaky bantsilana ny afera maloto momba ny fitrandrahana harena safira tany Ilakaka, izay nosamborina ny 5 mey kanefa vao nivoaka ny "clinique" nitsaboany tena, hoy ny Amnesty International.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT