Politique

Fanagadrana an-dry Fetison Nitory ny GTT International


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Toherina ary melohin’ny Vondrona GTT International manana ny foibeny ao Soisa ny fanagadrana azy telo mirahalahy dia i Fetison Rakoto Andrianiriana, Zafilahy Stanislas ary ny pastera Tsarahame Edouard, mpitarika ao amin’ny Ankolafy Telo.

Raha ny fahitan’ny GTT International izao fanagadrana izao dia tsotra : tapahin-doha ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny alalan’ny fanamborana ireo mpitarika mirahalahy. Izany, hoy izy ireo dia famonoana ny filoha Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy. Na izany na tsy izany anefa, hoy ity vondrona ity dia mariky ny hakanosana, tahotra ary ny halemen’ireo mpanongam-panjakana izao fihetsika izao, indrindra mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy ankasitrahan’ny maro an’isa. Manoloana io fanagadrana ireo mpitarika io dia nandefa fitoriana sy fitarainana hisiana fakana fepetra maika ato anatin’ny hamehana any amin’ny Kaomisaria ambony misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana ny GTT International.

Takian’izy ireo ihany koa ny famotsorana tsy misy fepetra ireo mpitarika legalista ireo satria tsy ara-dalàna ny didy fanagadrana azy ireo. Tribonaly tsy ara-dalàna rahateo no namoaka izany didy izany, hoy ihany ny filazana. Nanamafy io fitakiana io koa ny vondron’ny Parlemantera nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana ao Bel’Air ny sabotsy teo. Araka ny fantatra dia ratsy ny toerana itazonana azy ireo ao Ambatolampy satria dia miara-toerana amin’ireo jiolahy mpangalatra sy mpamono olona fa tsy natao amin’ny toerana natokana ho an’ny gadra politika. Na izany aza dia matanja-tsaina izy ireo. Manao ranolava rahateo ny mpanao politika avy amin’ny Ankolafy Telo tonga mitsidika azy ireo any. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT