Politique

Fanafoanana ny dinika Addis Abeba Andry Rajoelina no tompon’andraikitra


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Tsy niandry ela fa teny amin’ny kianjan’ny ara-dalŕna no nilaza ny fihetseham-pony ny filoha Ravalomanana manoloana ny nanafoanan’ny Vondrona Afrikanina ny dinika tokony hatao any Addis Abeba manomboka amin’ity andro anio ity.

Efa miezaka araka izay tratra ny rehetra, hoy izy, hamerenana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny andavanandro. “Te hanampy ireo mpamatsy vola, saingy misy olona iray manao zinona ny fanasana”, hoy izy nanamafy. “Tompon’andraikitra voalohany amin’ny zavatra hitranga ny ankolafy Rajoelina. Tsy zazakely na olon-tsotra ny Vondrona afrikanina sy ny CPS”, hoy ihany ny filoha Ravalomanana tamin’ny antso an-tariby. Araka ny fanazavany dia efa mandray ny andraikitra tandrify azy ireo rehetra voakasiky ny raharaha Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana fa tokony hiray hina hatrany ny rehetra. Marina fa eo ny fahasahiranana saingy mila manao sorona ny fotoana isika, hoy ihany izy. Mila faharetana ihany koa ny zavatra rehetra, araka ny fanazavany ihany.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT