Fanafihana ny volan’ny CT
Nidoboka am-ponja avokoa ireo tratra
Omaly dia fantatra fa efa eo am-pelatanan’izy ireo ny iray tamin’ireo jiolahy izay voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny fanafihana ny volan’ny Kongresin’ny tetezamita. Mbola hita niaraka taminy ny vola 10 tapitrisa ariary izay rehefa nohamarinina dia anisan’ireo vola norobaina tetsy Tsimbazaza koa. Mifanaraka tanteraka ny laharan’ireo vola izay dimy arivo marobe. Ny zandary avy ao amin’ny sampam-pikarohana momba ny heloka bevava no nahasarona azy io raha araka ny vaovao nampitaina taminay. Manaraka izay dia fantatra ihany koa fa notazomina ny renin-dRajaofera Tantely Falimanana. Io farany dia voaporofon’ny mpanao fanadihadiana fa iray amin’ireo nanafika ihany koa. Etsy Ankazomanga izy no mipetraka fa ny reniny kosa dia tany Antsirabe no nalaina ary notazonin’ny polisy. Anisan’ny natolotra ny Fampanoavana omaly io renim-pianakaviana io. Nentina tao amin’ny mpitsara niaraka tamin’ireo mpiasan’ny Kongresy dimy sy ireo olona telo hafa izy io omaly ihany. Nidoboka am-ponja avokoa izy ireo. Ny alina mihitsy vao vita ny fihainoan'ny mpitsara azy ireo. Fanafihana mitam-piadiana sy firaisana tsikombakomba amin'ny fanafihana mitam-piadiana no vesatra nitazomana azy ireo. Ny iray amin’ireo dia ilay voalaza fa tompon’ny fiara izay nofaina dia nentina nanatontosa ny fanafihana. Manomboka mahita rirany, araka izany, ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Na izany aza anefa dia tsara ihany raha mba tohizana ny fanadihadiana anatiny mba hahitana izay tena lesoka. Nahoana marina no tsy nisy mpiambina, na koa tsy nasiana mpiambina, iny fiara nitatitra volabe iny ? Nahoana ihany koa no hariva vao nivoaka ireo vola tao amin’ny Banky Foibe, amin’izay indray tsy vola vaovao ? Mbola handehanan’ny saina ihany koa ny hoe nahoana no
Samy
Encadré
Karohina i Tantely Rajaofera
Teraka ny 20/04/79 tany Antsirabe, monina ao Ankazomanga, manambady ary manan-janaka roa, karohin’ny mpitandro ny filaminana i Tantely Falimanana Rajaofera rehefa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny volan’ny Kongresin’ny Tetezamita. Afaka mampandre ny BC avy hatrany ireo izay manam-baovao momba azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.