Politique

Fampitambarana ny fiarahamonim-pirenena Mbola henjana ny adivarotra !


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Hitohy amin’ity herinandro ity indray ny fifampidinihana eo amin’ireo vondrona roa lehiben’ny fiarahamonim-pirenena, dia ny “Coalition des Sociétés Civiles” sy ny “Alliance de la Société Civile”.

Tsy nety hita ny moa, tamin’ny herinandro lasa iny, ny marimaritra iraisana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka hananganana ilay rafitra iray ivondronan’ny rehetra dia tsy inona izany fa ny “Comité de Coordination des Sociétés Civiles”, izay tokony hijoro ho mpanelanelana eo amin’ireo ankolafy politika mifanditra ao anatin’izao krizy izao, ary hikarakara ny dinika santatra isaky ny distrika sy ny fikaonandoham-pirenena. Tsy ho mora ny fifandresen-dahatra sy ny adivarotra eo amin’ny roa tonta satria samy manam-pahaizana sy teknisianina ary mpanao politika avy izy ireo. Teo amin’ny fomba fiasa sy ny tetibola hampiasaina moa no tena tsy nampitovy ny hevitra. Ankilany ny Alliance, dia milaza fa tsy tokony ho ny fitondrana tetezamita mihitsy no hamatsy ara-bola ny fiarahamonim-pirenena amin’ny asa ataony rehetra ; rehefa tafatsangana io rafitra goavana io, dia azo atao tsara ny mandresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena mba hamatsy vola ny fiarahamonim-pirenena amin’ny asa fanelanelanana ataony, hoy i Serge Zafimahova avy ao amin’ny “Alliance de la Société Civile”.

Tsy tokony hisy olana ny fahazoana izany famatsiam-bola izany, araka ny filazany raha mangarahara tsara ary atao fantatry ny rehetra ny fampiasana ny vola. Ny olana mantsy araka ny filazan’i Serge Zafimahova ihany, dia tsy fantatra mazava mihitsy hoe : hoatrinona marina ny vola nampiasaina tamin’ireo karazana fivoriana sy fihaonambe nokarakarain’ny FAT, ary avy aiza no niavian’izany vola izany marina : avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana ve, avy any ivelany ve sa avy amin’olon-tsotra sy mpandraharaha eto an-toerana ? Tena tsy nisy mihitsy ny mangarahara ka izay no mampanahy raha toa ka ny fitondrana tetezamita no hamatsy vola indray ny fiarahamonim-pirenena. Etsy andaniny kosa anefa dia manizingizina ny pastera Ramino Paul avy ao amin’ny “Coalitions des Sociétés Civiles” fa tokony hamatsy vola ny asa ataon’ny fiarahamonim-pirenena ny fanjakana satria raharaham-pirenena no atao. Ny sehatra iraisam-pirenena moa dia tsy mandà mihitsy ny fikaroham-bahaolana amin’ny krizy, ataon’ny samy Malagasy, saingy mitaky hatrany kosa ny mangarahara ary tsy manaiky ny fiandaniana sy ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana, na inona na inona mety ho anton’izany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT