Hifarana anio indray, etsy amin’ny carlton Anosy, ny atrikasa iray izay natomboka omaly natokana ho an'ny antoko politika ary miompana amin’ny tarika sy fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny demokrasia eto amin’ny firenena.
Tsy azo hihodivirana amin’ny fampandrosoam-pirenena ireo lafin-javatra roa ireo, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana na ny PNUD, Violet Kakyomya. Nanomboka tany amin’ny taona 2002 ny firenena mikambana no efa nivoy izao foto-kevitra izao taorian’ny nitrangan’ny raharaha tamin’ny fotoan’androny saingy mbola betsaka ny asa tokony hotanterahana. Dingana efa vita taorian'ny savorovoro politika tamin'ny 2009 ny fiverenan’ny rafitra demokratika eto Madagasikara ny taona 2013 ka tanjona ny fampanjakana ny fifampitokisana sy ny firaisankina ara-tsosialy eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Noresahana hatrany tamin’ireo mpanao politika rahateo nandritra ireo atrikasa samihafa efa notontosaina ny firosoana amin’ny fifidianana milamina, mangarahara, tsy manavaka ary eken’ny rehetra amin’ny taona 2018. Lohahevitra goavana takian’ireo antoko politika hodinihana ao anatin’ny fandaharam-potoana manaraka amin’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana moa ny resaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.